ITA TAVY Ireo paikady sy teknikam-pambolena Hialana amin’ny tavy sy Hanatsarana ny velontenan’ny mponina mpanao tavy ao amin’ny alan’Ambohilero « Les Itinéraires Techniques Agricoles alternatifs » pour réduire les tavy et la pauvreté des paysans pratiquant les tavy dans la forêt d’Ambohilero TS RE DE L STE ’E NI T DES FORE M I Le contenu de ce document n’engage que la responsabilité de ses auteurs et ne represente pas necessairement l’opinion du FFEM, le FFEM n’est pas responsable de l’usage qui pourrait être fait des informations qui y figurent. IRONNEMEN TE NV Projet financé par le Fonds Français pour l’Environnement Mondial (FFEM) Fizahan-takelaka Pejy Ankapobeny amin’ny ITA Tavy 5 5 7 9 11 13 15 17 19 19 21 21 23 23 23 25 25 27 27 29 29 31 31 31 31 37 37 37 39 41 41 41 43 45 Ny tavy sy ny fiantraikany Inona no vahaolana atolotra ? Inona izany ITA Tavy izany ? Ahoana ny fomba fiasan’ny ITA Tavy ? Ny tantsaha mpanentana : manao inona ? Inona avy ireo vokatra andrasana amin’ireo paikady sy teknika mifandimby amin’ny tavy ? Ahoana ny fomba atao mba hampaharitra ny fampiharana ireo zotram-pambolena ? Ny fambolena mifototra amin’ny voly rakotra Inona no atao hoe fambolena mifototra amin’ny voly rakotra ? Inona avy ireo tombotsoa azo avy amin’ny voly rakotra ? Inona avy ireo ho mety ho olana ? Fisy teknika Fisy teknika 1 : Vary ampivadiana amin’ny Stylosanthes (Vary + Stylosanthes) Fijery fototra Fomba fiasa Fandaniana Fisy teknika 2 : Vary ampivadiana amin’ny tsaramaso ary dimbiasan’ny mokonà [(vary+tsaramaso)/mokonà] Foto-kevitra Fomba fiasa Fandaniana Fisy teknika 3 : Katsaka ampiarahana amin’ny Legiominezy Fijery fototra Ireo tombotsoa Fomba fiasa Fisy teknika 4 : Ny fanamboarana kômpôsta Azo avy amin’ny inona ny kômpôsta ? Ahoana ny fanamboarana kômpôsta ? Ahoana ny fampiasana kômpôsta ? Fisy teknika 5 : Ny ala vadim-boly Fijery fototra Fomba fiasa Rehefa inona no mamboly hazo fihinam-boa ? Fisy teknika 6 : Fanajariana ny tanety 3 1 2 3 4 1- Ny tavy : mandripaka ny ala. 2- Ny tavy : kahon’ny riaka ny nofon-tany. 3- Ny tavy : mitombo ny vonâ mpanimba voly. 4- Ny tavy : ny vokatra miakatra tsy mahafa-po. 4 Le tavy détruit la forêt, aggrave l’érosion, favorise la multiplication des ravageurs, apporte du rendement faible. Ankapobeny amin’ny ITA Tavy Ny tavy sy ny fiantraikany Fomba fambolena efa nampiharin’ny tantsaha hatramin’ny ela ny tavy teto Madagasikara. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny lafi-piainan’ny tantsaha izy io satria miantoka ny fivelomany no sady kolotsaina sy miantoka ny firafitry ny fiaraha-monina. Heverina ho toy ny fomban-drazana io teknika io ka tohizana mba ho fanajana izany sy ho fifandraisana amin’ireo razam-be. Betsaka anefa ny vokatra ratsy aterany : • Fandripahana ny ala, • Fahamainan’ny tany, • Fikaohan’ny riaka ny nofon-tany, • Faharatsian’ny nofon-tany, • Sns. Noho ny fitazomana io teknika io noho ny antony aratoekarena, ara-kolotsaina sy ara-piaraha-monina, sy noho ny fahambanian’ny vokatra tsy mitsahatra ny midina, ny tavy dia mahatonga ny fahapotehan’ny firindrana voajanahary eo amin’ny tontolon’ny ala satria tsy maintsy mifindra toeram-pambolena isantaona. Ny fahakelezan’ny vokatra azo avy amin’ny tavy dia mitarika amin’ny fahantrana hatrany ho an’ireo mampihatra azy. Le tavy à Madagasikara Le tavy est une technique agricole pratiquée depuis longtemps à Madagasikara. C’est l’une des activités économiques des paysans car il consiste à cultiver la terre pour assurer la subsistance. Pourtant, elle revêt des dimensions culturelles et sociales importantes. C’est une tradition ancestrale donc un moyen pour perpétuer la religion et la relation avec les ancêtres. Mais ses effets et impacts sur le milieu naturel fait que c’est une pratique destructrice des ressources forestières et de l’environnement à Madagasikara. Il s’agit principalement de : • la déforestation, • la sécheresse, • l’érosion, • l’appauvrissement du sol. A part les contraintes écologiques, le rendement agricole très faible ne fait que perpétuer la pauvreté des paysans qui le pratiquent. 5 6 Inona no vahaolana atolotra ? Efa tamin’ny andron’ny faha-mpanjaka no efa voarara ny tavy. Maro ireo vahaolana mety hampienana sy/na hanafoanana ny tavy rehefa fantatra ny voka-dratsiny. Ohatra : • Fampiharana matotra ny lalàna mikasika ny ala, • Fampivondronana ireo mponina anaty ala mba hahafahana manangana drafitra fanatsarana ny ara-toekarena sy ara-kolotsaina, iombonana, • Fanajariana ny tany (faritra) azo ambolena mba hamokatra maharitra sy ampy ho an’ireo mponina mpifindrafindra amin’ny alàlan’ny ireo teknikam-pambolena tsy mifindrafindra (fambolena voly monina, sns). Ny fampiharana ireo fepetra ireo dia miankina betsaka amin’ny fandraisana andraikitry ny fanjakana, miankina amin’ny famatsiam-bola ary mila fotoana mba ahatonga fanovàna tanteraka. Ny tetik’asa COGESFOR dia namolavola sy nampihatra paikady ITA tao amin’ny alan’Ambohilero, Kaominina ambanivohitr’i Didy, distrikan’Ambatondrazaka : • fanomezana lanja ny “savoka” na “ramarasana”, • fametrahana ny mponina anaty ala tsy hifindrafindra tamin’ny alàlan’ny fampianarana ireo teknikam-pambolena mahomby sy maharitra. Io tetik’asa andrana io dia manome lanja ireo lafiny ara-toekarena, ara-tsosialy, ny maha-olona, an’ireo mpamboly mpahazo tombotsoa. Les solutions proposées La pratique du tavy avait été interdite même au temps de la royauté. Plusieurs solutions sont proposées pour réduire et ou arrêter le tavy depuis le constat de ses dangers entre autres : • l’application stricte de la loi forestière ; • le regroupement des populations forestières et les organiser dans un dynamique économique et culturelle propre ; • la mise en valeur des terres cultivables susceptibles de mieux nourrir les populations nomades et les fixer par des cultures vivrières stables, Dans le cadre du projet COGESFOR, ce sont la mise en valeur des savoka et la fixation des populations tavyistes par de itinéraires techniques agricoles alternatifs stables qui sont développés dans la forêt d’Ambohilero, Commune rurale de Didy, District d’Ambatondrazaka. C’est une initiative qui prend en compte les conditions économiques, sociales. 7 8 Ahena ny fampiasana tany atao tavy. Mijanona amin’ny tanim-boly vitsivitsy ny fambolena. Ny tany natao tavy hafa kosa avela hitsiry ny zava-maniry eo amboniny hanome ala velona faka taona maromaro. L’agriculteur doit se fixer sur de quelques parcelles suffisantes pour ses besoins et doivent laisser les autres parcelles en friche pour la reconstitution de la forêt d’Ambohilero. Inona izany ITA Tavy izany ? L’ITA Tavy Ny ITA Tavy na paikady sy teknika ialana amin’ny tavy dia fitambaran’ireo fombafomba sy paikady ara-pambolena voarindra. Ny tanjona dia ny hanatsarana ny velontenan’ny mponina nampihatra ny tavy sy ny fiarovana ny valan-java-boahary ao amin’ny Alan’Ambohilero, amin’ny alàlan’ny fanatsarana ireo fomba fambolena any anaty ala. Io fombafomba io dia niarahana nandinika tamin’ireo mpamboly tao Bemainty sy Betsingita ary Ankerana. Ny tanjona dia mba hanaitaitra ny mponina ao amin’ireo zana-tanàna rehetra misy any an-toerana mba hampiasa ny velaran-tany kely indrindra ao anaty ala nefa mahavita ny filany ara-tsakafo mandavan-taona. Ny atao amin’izany dia ny fanatsarana sy fanitarana ireo paikady sy teknikam-pambolena misy mba tsy hanaovana tavy vaovao. L’ITA ou l’Itinéraire Technique Alternatif au tavy est un ensemble d’approches et de systèmes agricoles qui visent à améliorer simultanément les conditions de vie des populations cibles et la conservation de la biodiversité du massif forestier d’Ambohilero par l’amélioration des pratiques agricoles sous forêts. L’approche est développée avec les paysans pratiquants de tavy de Bemainty, de Betsingita et d’Ankerana, dans la Commune rurale de Didy, région Alaotra Mangoro. L’enjeu de l’ITA est d’inciter les paysans des hameaux cibles à consommer moins d’espaces forestiers pour satisfaire leurs besoins alimentaires quotidiens. Il consiste à développer des itinéraires techniques agricoles sur des savoka existants sans recourir à des nouveaux défrichements avec brulis. 9 Azo atsaraina ny fomba fambolena hampitomboana ny vokatra hialàna amin’ny tavy ary manatsara ny fari-piainana. 10 La réussite de l’adoption des ITA doit être palpable à travers l’amélioration du rendement agricole, la limitation de la déforestation due au tavy, le gain en surfaces forestières reconstituées par l’amélioration des revenus agricoles, le changement de comportement généralisé des populations vivant en forêts. Ahoana ny fomba fiasan’ny ITA Tavy ? Amin’ny tavy dia mila manapaka sy mandoro faritr’ala maromaro ny fianakaviana iray mba ivelomany (manodidina ny 1,5 ha ka hatramin’ny 2 ha isan-taona). Mihena arakaraky ny fampiasana afo ny vokatra eo amin’ny toerana nanaovana tavy ka dia voatery miala eo ka manao tavy vaovao indray ilay fianakaviana (isaky ny 2 taona fara-fahaelany). Tsy miverina eo intsony raha tsy afaka 4 na 5 taona izy izany hoe rehefa misy zava-maniry voa-janahary tsara indray eo amin’ilay tany ka ahafahany manao tavy indray. Ny ITA Tavy kosa dia mitarika ny mpamboly mba tsy hifindrafindra toerana sy hanaiky antsitrapo fa hanatsara ny fomba famboleny eo amin’ireo savoka vitsivitsy mety mahasahana ny filàny ara-tsakafo. Vatsiana ambioka sy fitaovana ary omena torolàlana teknika izy ireo mba hampihatra ireo fomba fambolena vaovao isorohana ny fanitarana ny fanimbana ala. Noho izany dia tsy ampiasainy intsony ireo toeram-pambolena fanaovany tavy hafa. Ireo paikady voarindra entina manatsara ny vokatra isaky ny toeram-pambolena dia : • Ireo teknika mifototra amin’ny fanaovana voly rakotra, • Ireo teknikam-pambolena mifototra amin’ny tavy fa notsorina (miainga amin’ny fandorana ary manaraka teknika manara-penitra avy eo), • Fambolena zana-kazo ara-teknika. Tsy maintsy natao tsikelikely ny fampidirana ireo teknikam-pambolena vaovao ireo tany amin’ny tantsaha ary tsy maintsy nandramana ny fihetezany ary nohatsaraina mba hamaly ireo filan’ny mponina sy ny tontolo iainana (ala). Le fonctionnement de l’ITA Tavy La stratégie d’ITA repose sur la fixation du paysan, qui doit s’engager volontairement à améliorer ses pratiques, sur quelques parcelles de savoka selon ses besoins alimentaires. Avec l’appui en intrants et en formation à des techniques de culture adaptés, il doit y développer les itinéraires techniques agricoles préconisés sans faire d’autres défrichements. Il laisse ainsi en friche ses autres terrains de culture tavy. Des différents systèmes de culture qui permettent une amélioration des rendements à l’unité de surface sont proposés tels : • les techniques à base de ’agriculture de conservation, • les techniques culturales simplifiées (brûlis de plantes de couverture et de recrus améliorés), • l’agroforesterie, Les itinéraires techniques agricoles sont implantés progressivement. Ils doivent être testés et perfectionnés pour répondre aux conditions sous forêts. 11 12 Ny tantsaha mpanentana : manao inona ? Mba hahomby, ny fampiharana ny ITA dia mila ny fahaiza-miara-mientana ary ny fandraisan’anjara mavitriky ny mponina miaraka amin’ireo tantsaha mpanentana. Ny tantsaha mpanentana dia olona mipetraka any anaty ala ary mivelona amin’ny fambolena. Nampianarina izy ireo mba hanentana sy hanaitaitra ary hanoro hevitra ireo mpanao tavy izay manaiky antsitrapo fa hanaja ny tontolo iainana, hampihatra ireo paikady nekena ho fanatsarana ny tontolony, ary indrindra ny fampiharana ireo teknikam-pambolena mamokatra kokoa noho ny tavy, ka hanaparitaka izany. Tena ilaina ny fisian’ireo tantsaha mpanentana satria izy ireo no fitaratra any amin’ny toerana misy azy avy any. Ny fisiany dia manamora ny fifandraisan’ireo tompon’andraikipanjakana sy sampan’asa maro isan-tsokajiny any an-toerana amin’ireo mpivelona ao anaty ala izay lavitry ny renivohitry ny kaominina. Les paysans relais Pour être efficace, le développement des ITA nécessite une bonne organisation communautaire et une forte coordination participative et technique des villageois notamment avec les paysans relais. Les paysans relais sont des gens des paysans qui habitent dans la forêt et qui font de l’agriculture. Ils sont formés pour animer, sensibiliser et conseiller les paysans tavystes volontaires sur le respect de l’environnement, la mise en oeuvre des schémas d’aménagement validés, et surtout la mise en pratique des techniques agricoles plus productrices que le tavy, ainsi que leur diffusion. Les paysans relais sont très utiles car ils sont les leaders dans sont terroir. Leur présence permet aux autorités locales et aux services déconcentrés de faciliter la communication avec les paysans forestiers qui sont à majorité loin du chef lieu de la commune. 13 14 Inona avy ireo vokatra andrasana amin’ireo paikady sy teknika mifandimby amin’ny tavy ? Ny fahombiazan’ny ITA dia tsinjo avy amin’ny : • Fihatsaran’ny vokatry ny fambolena, • Fihenan’ny fanimbana ala noho ny fanaovana tavy, • Fahazoana faritr’ala vaovao amin’ny alalan’ny fodian’ieo savoka tsy ampiasana ho ala, • Fihatsaran’ny fidiram-bola azo avy amin’ny fambolena, • Fiovan-toetran’ireo mponina mivelona ao anaty ala. Tabilao : Ireo vokatra tsapa araka ny traik’efa azo (Résultats obtenus durant les trois années tests) Taham-pamokaram-bary Tombony Vola miditra isaky ny ora iasana Ala vadim-boly 2010/2011 2011/2012 1300kg/ha 2 000kg/ha 546.000 Ar/ha 840.000 Ar/ha 3.819 Ar 7.637 Ar 90 (agrumes et litchis) 210 (agrumes et litchis) 2012/2013 - Variété Primavera : 2000 kg/ha - Variété Nerika 4 : 2300 kg/ha - Variété B22 : 2100 kg/ha - Variété Primavera : 840.000 Ar/ha - Variété Nerika4 : 1.610.000 Ar/ha - Variété B22 : 1.470.000 Ar/ha - Variété Primavera : 7.637 Ar - Variété Nerika4 : 14.637 Ar - Variété B22 : 13.364 Ar - 600 caféiers - 300 citronniers La réussite de l’adoption des ITA doit être palpable à travers : • l’amélioration du rendement agricole • la limitation de la déforestation due au tavy ; • le gain en surfaces forestières reconstituées par la régénération naturelle des savoka en friche ; • l’amélioration des revenus agricoles ; • le changement de comportement généralisé des populations vivant en forêts. 15 16 Ahoana ny fomba atao mba hampaharitra ny fampiharana ireo zotram-pambolena ? Le PSE ITA Tavy Tsy maintsy mitady hevitra handrindrana ny mponina ary tsy maintsy vatsiana ireo paikady ho ampiharina. Ny efa nandramana dia ny PSE na ny “fanomezana tambiny ara-bola nohon’ny asa amin’ny tontolo iainana” (“Paiement pour services environnementaux”) mamaly ireo fepetra mifanaraka amin’ny tavy. Ny PSE mifandimby amin’ny tavy dia fiaraha-miasa amin’ireo mpamboly manaiky an-tsitra-po fa : • Hiala amin’ny tavy, • Hampihatra ireo zotram-pambolena nohatsaraina, • Handray anjara amin’ny fiarovana ny ala. Ho valin’izany, ireo mpamboly ireo dia omena tambiny noho ny asa momba ny tontolo iainana ataony, amin’ny alalan’ny famatsiam-bola azo avy amin’ny PSE. Ny fampihenana ny fanimbana ala sy ny fahazoana faritr’ala vaovao avy amin’ny tsy fampiasana ireo toeram-pambolena hafa dia anisan’ireo asa ara-tontolo iainana azo. Ny ITA Tavy koa dia afaka ampidirina ho isan’ireo tetik’asa “REDD +” misahana ny ady hampihenana ny fihanaky ny etona karbôna vokatry ny fihenana sy ny fahapotehan’ny ala. Pour pérenniser la mise en oeuvre des ITA Tavy, il faut monter des outils permettant d’organiser les communautés et de financer les dispositifs institués. Ce qui est testé est le Paiement pour Service Environnementaux répondant aux contextes liés au tavy. Le PSE alternatif au tavy consiste à engager les paysans volontaires à : • abandonner la pratique du tavy • pratiquer les ITA Tavy • participer à la conservation de la forêt. En contrepartie, par le financement « PSE », les paysans sont payés pour les services environnementaux qu’ils rendent. Les services environnementaux fournis peuvent être la limitation du défrichement et le gain en surfaces forestières reconstituées. Aussi, les ITA Tavy pourraient être entrés dans le mécanisme « REDD+ » (Réduction des Emission de carbone dû à la Déforestation et à la Dégradation des forêts) par son objectif de réduire les émissions carbones par les défrichements évités et la régénération naturelle des forêts sur les parcelles abandonnées. 17 18 Ny voly rakotra dia natao hanatsarana ny nofon-tany. Ny rakotra eo ambony dia mihazona ny hamandoana tsy hietona haingana. Ny fakan-javamaniry izay tafiditra lalina anaty nofon-tany dia manafaningana ny fivoaran’ny nofon-tany hihatsara hatrany. La biomasse fournit un écosystème favorable à l’amélioration de la fertilité du sol. Ny fambolena mifototra amin’ny voly rakotra Inona no atao hoe fambolena mifototra amin’ny voly rakotra ? Ny voly rakotra dia teknikam-pambolena izay mikendry ny fanatsarana ny vokatra, ny fiarovana ny ny tany amin’ny fampiasana araka ny tokony ho izy sy maharitra izany, sy ny fahalonahany. Izy io dia mifototra amin’ny fambolena eo ambony rakotra. Foto-kevi-dehibe telo (3) no ijoroan’ny voly rakotra : 1. Tsy fiasana ny tany na fiasana faran’izay kely ny tany, 2. Fandrakofana maharitra ny tany mba ahazoana taharo matevina (velona na maty), 3. Fifandimbiasam-boly sy/na fampivadiana voly amin’ireo voly fanao rakotra na manana asa hafa. L’agriculture de conservation (AC) L’agriculture de conservation a pour objet principal l’amélioration du rendement agricole et la conservation du sol par la gestion intégrée du sol et de sa fertilité. Elle est basée sur le concept de semis sur couverture végétale ou SCV. Elle repose sur trois principes : 1. Non travail du sol ou travail minimal du sol, 2. Couverture permanente du sol avec une forte biomasse (vivante ou morte), 3. Rotation et association culturale avec des plantes de couverture ou de service. Les pratiques de l’agriculture de conservation offrent des avantages sur plusieurs points : • Réduit le temps de travail et des mains d’oeuvre • Améliore la fertilité du sol par l’augmentation de la matière organique du sol • Réduit l’érosion • Diversification des productions et amélioration de la sécurité alimentaire • Diminution de la déforestation, 19 Nitombo ny vokatra azo raha mitaha amin’ny fomba fambolena eo ambony tavy araka ny andrana natao niarahana tamin’ireo tantsaha mpanentana. 20 L’agroécologie et l’agriculture de conservation sont des techniques alternatives au tavy car elles améliorent le rendement agricole. Inona avy ireo tombotsoa azo avy amin’ny voly rakotra ? Ny fampiharana ny voly rakotra dia mitondra tombotsoa maro amin’ny lafiny maro : • Mampihena ny ora fiasana sy ny fampiasana olona : Ny tsy fiasàna na ny fihenan’ny fiasana ny tany dia mampihena ny fotoana lany amin’izany ihany koa dia ahafahana mamboly mialoha ny fotoanan’ny orana. • Manatsara ny fahalonahan’ny tany amin’ny fitombon’ireo kasinga organika ao anaty tany : Ny fampiasana afo matetika dia mampihena ireo kasinga organika ao anatin’ny tany ilain’ny zava-maniry. Ny voly rakotra kosa dia tsy ampiasana afo. Izany no manome vahana ireo kasinga organika mivelona tsara. Ary ny asan’ny rakotra dia manatsara ny fahalonahan’ny tany. • Mampihena ny fikahoan-tany : Ny voly rakotra dia mitazona ny rano ka mamerina azy ao anaty tany. Manamora ny hafainganan’ ny fikorinan’ny rano izy ka mampihena ny fikahoan’ny riaka ny nofon-tany ary miady amin’ny fahamainan’ny tany. • Manome voka-pambolena samihafa ka manatsara ny filaminana ara-tsakafo : Ny Fihatsaran’ny fahalonahan’ny tany dia manatsara ny vokatra. Etsy andaniny, ny fampivadiam-boly sy ny fifandimbiasam-boly dia ahazoana karazam-bokatra samihafa sy maro. • Mampihena ny fanimbana ny ala : Ny famerana ny tantsaha tsy hifindrafindra dia mampihena ny fanimbana ny ala. Ny fampiharana ireo paikady vaovao manatsara ny nofon-tany sy ny vokatry ny fambolena dia mampirisika ny tantsaha tsy hanitatra ny tavy. Mihena ny toerana ilaina hamokarana nefa mahasahana ny filana ara-tsakafo, noho izany mihena koa ny fanimbana ala. Inona avy ireo ho mety ho olana ? • Mila famatsiam-bola betsaka eo amin’ny fividianana ireo zavatra ilain’ny fambolena sy ny fitaovana amin’ny taona voalohany. • Mila mahazo rakotra matevina. 21 1 2 3 22 1- Raha tany mbola tsy misy rako-belona dia asaina izany ary asiana kômpôsta. 2- Raha efa misy Stylosanthes ny tany dia kapain ary ahorona izany ahazoana rakotra. 3- Volena anaty lavaka kely (2 sm na 3 sm) ny masom-boly rehetra. 1- Le sol sans couverture végétale est préparé en rajoutant de fertilisants (compost, …). 2- Pour la terre déjà cultivée de Stylosanthes, il faut le faucher et le rouler pour servir de couverture. 3- Le semis du riz se fait en poquets (2 à 3 cm de profondeur) en ligne. Fisy teknika Fisy teknika 1 : Vary ampivadiana amin’ny Stylosanthes (Vary + Stylosanthes) Fijery fototra Ny fanakambanana ny vary sy ny Stylosanthes (Stylo) dia isan’ireo paikady mety tsara eny amin’ny toerana fanaovana tavy any Didy (manana haavo 1600 m). Ny tena tombony dia ny fitondran’ny Stylo ireo akora ilaina amin’ny fambolena hanatsarana ny vary. Ny rakotra betsaka entin’ny stylo dia mitondra azota ho an’ny tany ka manatsara aingana ny fahalonahany. Izany no araraotin’ny vary mba ahavokarany be koa eny amin’ny tanety. Ity teknika ity dia tsy mila zavatra maro ary afaka tsy asiana zezika. Ao aorian’ny fihotazana ny vokatra dia avela haniry tsara ny Stylo mandritra ny 1 taona ary ambolena eo amboniny ny voly rehefa afaka 2 taona. Ny karazam-bary tena tsara sy mety any amin’ny faritr’iDidy ka ampiarahana amin’ny Stylo dia ireo vary vokatra aingana (100-110 andro) toy ny : Primavera (vary rivo), ny Nerica 4 ary ny B22. Noho izy ireo vokatra malaky dia tsy atahorana hifaninana amin’ny Stylo. Io fanakambanam-boly io dia mahaliana satria ahafahana mamboly aloha be (alohan’ny ilatsahan’ny orana voalohany). Hita ny fitombon’ny vokatra vary rehefa afaka 2 ka hatramin’ny 3 taona (manodidina ny 2,5 t/ha). Riz + Stylosanthes Principe L’association Riz et Stylosanthes est un système adapté aux milieux tavy de Didy (jusqu’à 1600 m d’altitude). Le principe de l’association repose sur les bénéfices agronomiques apportés par le Stylosanthes pour un meilleur développement du riz. En effet, grâce à une très forte production de biomasse et la fixation d’azotes du Stylosanthes, la fertilité du sol s’améliore rapidement. Ce qui est profitable pour la production du riz sur tanety. C’est donc un système possible avec un minimum d’intrants sur tous les sols, voire même sans engrais. L’association doit être une succession annuelle d’un autre système à base de Stylosanthes. Après la récolte, la terre doit être laissée en jachère avec le Stylosanthes. 23 Fambolem-bary laharan-tokana miaraka amin’ny Stylosanthes. 24 Fambolem-bary laharan-droa miaraka amin’ny Stylosanthes. Culture de riz en simple rang et en double rang. Le Stylosanthes est installé entre les rangs du riz. Fomba fiasa - Stylosanthes : Volena eo anelanelan’ireo laharan-droa roa. Fanomanana ny tany Laharan-tokana Raha tany mbola tsy nisy Stylo : kapaina izay misy eo dia asaina ary tsy maintsy asiana zezika (zezi-pahitra na komposta). Raha tany efa mahazo rakotra Stylo tsara dia tsy maintsy vonoina amin’ny alalan’ny angady na fibarana. Ahorona ny Stylo rehefa maina ny andro (1-15 oktobra) mba ho maina tsara izy fara-fahatarany herinandro alohan’ny famafazana. - Vary : mielanelana 40 sm ny laharan-tokana roa mifanila. Mielanelana 20 sm ny lavaka roa mifanesy. - Stylosanthes : Mielanelana 30 sm hatramin’ny 40 sm ny lavaka roa mifanesy. Tsy ariana ny mololo fa aparitaka eo amin’ny tany mba tsy hampaniry hanampiana ny ady amin’ny ahi-dratsy. Famafazana Ho an’ny faritry i Didy, ny famafazana dia atao eo anelanelan’ny oktobra sy desambra. Ny ambiokam-bary dia tsy maintsy asiana ody voana (gaucho 2,5g/kg). Atao anaty lavaka kely manana halalina 2 na 3 sm ny famafazana ary manara-tady. Ny stylo dia ambolena eny anelanelan’ny vary. Fomba roa no azo anaovana azy : • Volena laharan-droa ny vary ary eny anelanelan’ny laharan-droa roa ny Stylo (ity no tena tsara), • Volena laharana iray ny vary ary eny anelanelany ny stylo. Laharan-droa - Vary : Mielanelana 20 hatramin’ny 30 sm ny laharan-droa miaraka. Mielanelana 20 sm ny fifanesen’ny lavaka amin’ny laharana iray. Mielanelana 40 ka hatramin’ny 60 sm kosa ny laharan-droa roa. Voa 3 isan-davaka. Ny fambolena ny stylo dia mielanelana telo (3) herinandro eo ho eo aorian’ny nambolena vary, amin’ny fotoanan’ny fiavana (fikapana), mba tsy hisian’ny fifaninanana. Fikarakarana ny voly • Ny fiavàna voalohany dia atao 10-20 andro aorian’ny famafazana. • Ny fiavàna faharoa dia atao alohan’ny fiterahan’ny vary. • Ny stylo dia tsy mila tondraka satria mahazaka hafanana fa mila fikapana kely kosa rehefa hita betsaka ny ahitra. • Tsy ariana ny mololo fa aparitaka eo amin’ny tany mba hanampiana ny ady amin’ny ahidratsy. Fandaniana Eo ho eo amin’ ny 601 000 Ariary/ha eo ny tetibola ilaina amin’ny fampiharana an’io tekinika io amin’ny taona voalohany ary mihena izany ao aoriana satria tsy mividy masom-boly intsony. Les variétés de riz recommandé sont les variétés de cycle relativement court (100-110 jours) type Primavera, Nerica 4 ou 11 et B 22. Elles ont l’avantage d’être moins sensibles à une compétition éventuelle par le Stylosanthes. Le côut de la mise en place d’un tel système est de 601 000 Ar/Ha. 25 1- Atao anaty lavaka kely manana halalina 2 na 3 sm ary atao laharana manara-tady ny masomboly rehetra. Vary : atao laharan-droa ka mielanelana 20-30 sm. / Tsaramaso : atao laharan-tokana na laharan-droa eo anelanelan’ ny laharan-droa anakiroan’ny vary ka mielanelana 25-30 sm isan-davaka. 26 Culture de riz en double rang associé avec des haricots. 2- Otazana ny tsaramaso afaka 3 volana. Récolte d’haricots après 3 mois. Fisy teknika 2 : Vary ampivadiana amin’ny tsaramaso ary dimbiasan’ny mokonà [(vary+tsaramaso)/mokonà] Foto-kevitra Ao anatin’ny taom-pambolena iray no anatanterahana ny fampivadiana ny vary sy ny tsaramaso ary ny fifandimbiasan’izany amin’ny mokonà. Volena miaraka ny vary sy ny tsaramaso ahafahan’ny vary manararaotra ny azota entin’ny tsaramaso. Rehefa miala indray ny tsaramaso dia volena ny mokonà hanome rakotra mba hanatsarana ny nofon-tany ahafahana miantoka ny rakotra amin’ny taom-pambolena manaraka. Ny vary sy ny tsaramaso dia volena amin’ny fiatombohan’ny fahavaratra ary ny mokonà kosa dia amin’ny ririnina. Somary mila rano ity teknika ity amin’ny voalohany fa rehefa mahazo rakotra mokonà tsara dia mihazona ny rano izy. Ny vary dia mety mahavokatra hatramin’ny 2,5 t/ha ary ny tsaramaso 1t/ha. Tsara raha vary vokatra haingana no ampiasaina satria ny tsaramaso dia miakatra aloha. Le système Riz+haricot/ Mucuna C’est un système de culture avec comme principale culture en association le riz et le haricot succédée par le Mucuna dans la même année. Le Mucuna relaie le riz et l’haricot pour produire une biomasse pour améliorer les conditions édaphiques et contrôler les mauvaises herbes. Ce système peut permettre une exploitation annuelle d’une parcelle. Dans l’ordre, le riz+haricot est cultivé au début de la saison de pluie tandis que le Mucuna est en contre saison. Le haricot est récolté avant le riz et le Mucuna est donc dérobé dans le riz juste avant sa récolte. C’est un système qui nécessite suffisamment d’eau tant pour le riz que pour le Mucuna. Mais après une obtention de biomasse de Mucuna pour se servir de couverture, il retient de l’eau dans le sol. Le coût mise en place de ce système est de 923 500 Ariary/ha. 27 3- Mokonà : volena laharan-tokana eo amin’ny toeran’ny tsaramaso rehefa voaoty ny tsaramaso, ka mielanelana 50 sm ny lavaka amin’ny laharana. 28 Culture de mucunà à la place des haricots. 4- Jinjaina ny vary afaka 120 andro eo ho eo. Avela hitombo ny mokonà ho rakotra amin’ny taom-pambolena manaraka. Récolte du riz après 120 jours environs. 5- Mokonà : rehefa mandrombona dia kapaina ary ahorona mba ahazoana rakotra amin’ny taom-pambolena manaraka. Le mucunà sert de couverture pour la campagne suivante. Fomba fiasa Fikarakarana ny voly Karazan’ny masomboly Mitaky fikapàna matetika ny ahidratsy ity zotra-pambolena ity. • Vary mamokatra haingana toy ny Sebota, B22, Primavera (vary rivo), • Tsaramaso misy eo an-toerana, • Mokonà mainty. Fiotazana Fanomanana Tsy dia mila fanomanana firy afa tsy ny ambiokam-bary izay mila asiana ody biby (gaucho 2,5g/kg). Tsara ho fantatra fa ny mokonà dia tsy mahazaka ny hamandoana lava. Noho izany dia tsara raha eny amin’ny tany somary misompirana no asiana azy. Famafazana Atao anaty lavaka kely manana halalina 2 na 3 sm ary atao laharana manara-tady ny fambolena ny masomboly rehetra. • Vary : atao laharan-droa ka mielanelana 20-30 sm. • Tsaramaso : atao laharan-tokana na laharan-droa eo anelanelan’ ny laharan-droa anakiroan’ny vary ka mielanelana 25-30 sm isan-davaka. • Mokonà : volena laharan-tokana eo amin’ny toeran’ny tsaramaso rehefa voaoty ny tsaramaso, ka mielanelana 50 sm. • Tsaramaso : otazana rehefa afaka 90 andro (3 volana). • Vary : jinjaina rehefa afaka 110-120 andro. • Mokonà : kapaina sy aorona (toy ny tsihy) rehefa hamboly eo amboniny. Tetiandron’ny fambolena Ny mokonà amin’ny tanety dia volena amin’ ny volana novambra na desambra. Kanefa nohon’ny fisian’ny orana mandavan-taona any amin’ny faritr’i Didy dia azo atao ny mamboly azy amin’ny volana janoary ka hatramin’ny martsa. Fandaniana Araka ny andrana natao, ny teti-bidin’ny fametrahana io teknika io dia manodidina ny 923 500 Ariary/ha. 29 Katsaka sy legiominezy laharan-tokana. 30 Système Maïs et Légumineuse en simple rang. Fisy teknika 3 : Katsaka ampiarahana amin’ny Legiominezy Fijery fototra Ny fampivadiana ny katsaka sy ny legiominezy boribory ravina (lojy, moramasaka, tsiasisa,…) dia isan’ireo teknika tsara nohon’ny asan’ny legiominezy afaka maka ny azota avy amin’ny rivotra ka mitondra izany ho azon’ny zava-maniry hafa ampiasaina sy noho ny legiominezy afaka manatsara ny nofon-tany. Izy dia mampitombo ny fiasan’ireo biby faran’izay kely. Ary izy dia afaka manome sakafo manan-karena “proteina” ho an’ny biby. Ny fampivadiana katsaka sy ny legiominezy dia ahafahana mampihatra ny teknikan’ny voly rakotra. Ao aorian’ny katsaka sy legiominezy dia afaka ambolena stylo ny tany. Ireo faritra ambon’ny voly (taho, ravina) tamin’ny taom-pambolena teo aloha dia afaka atao rakotra iadivana amin’ny firongatry ny ahi-dratsy ary ihazonana ny fahamandoan’ny tany. Ny fampivadiana katsaka sy legiominezy dia ahafahana mahazo vokatra samy hafa eo amin’ny toeram-pambolena iray, amin’ny taona iray, nefa tsy mampihena ny vokatra katsaka. Ireo tombotsoa • Famokarana voa azon’ny olona sy ny biby ohanina, • Fihenan’ny vola mivoaka amin’ny fanaramana olona manomboka ny taona faharoa (tsy miasa tany, mihena ny fotona iasana), • Tsy maintsy ahazoana vokatra farafaha-ratsiny ny iray amin’ireo voly natao. Fomba fiasa Ny fisafidianana ireo karazana ambioka • Ho an’ny katsaka dia ny IRAT sy ny CIRAD 412 no tena mety tsara any amin’ny faritr’i Didy. • Ho an’ny legiominezy kosa dia misy karazany maro fa ny tena nampiasaina sy ilain’ny olona dia ny dolika, ny lojy ary ny moramasaka. Indraindray dia ampiasaina ihany koa ny mokonà. Le système Maïs + légumineuse L’association Maïs et Légumineuse est recommandée du fait des intérêts agronomiques des systèmes à base de légumineuses. En effet, les légumineuses améliorent la fertilité des sols et apporte de l’engrais au sol qui bénéfice au Maïs (fixation biologique d’azote + libération d’éléments adsorbés dans les sols comme le phosphore). Elles augmentent donc l’activité d’une grande diversité de micro-organismes du sol qui va s’améliorer chaque année. Aussi, elles produisent des fourrages riches en protéines végétales. L’association Maïs et Légumineuse peut être installée en succession annuelle de n’importe quelle culture en semis direct ou en année «zéro» après labour. En SCV, le système est pratiqué en succession annuelle de la culture de Maïs et biomasse (Stylosanthes). 31 Katsaka sy legiominezy laharan-droa. 32 Système Maïs et Légumineuse en double rang. Mitovitovy ny toetran’ ny moramasaka sy ny dolika ary ny lojy saingy : iray. Voa 3 isan-davaka no volena. • Ny lojy dia mahazaka hamandoana. Voa 3 isan-davaka no volena. • Ny dolika dia afaka mivelona amin’ny tany maina noho izy manana faka lava sy mafy. Voa 3 isan-davaka no volena. • Ny moramasaka dia tsy mahatanty haintany. Voa 3 isan-davaka no volena. • Eo amin’ny fandrakofana maharitra ny tany : ny tahon’ny dolika dia mora potika noho ny tahon’ny lojy sy ny moramasaka. Voa 3 isandavaka no volena. • Ny dolika volena eny amin’ny baiboho dia maitso mandritra ny fotoana maina ka afaka manome rakotra betsaka (manampy amin’ny ady amin’ny ahi-dratsy) iray. Voa 3 isan-davaka no volena. • Ny moramasaka dia mila fotoana ela vao hotazana raha miohatra amin’ny hafa saingy izy dia mamokatra betsaka iray. Voa 3 isandavaka no volena. • Ny ambioka dia tsy maintsy asiana ody biby : 3-5g/kg (gaucho) ho an’ny katsaka ary 3g/kg (lenthialm) ho an’ny legiominezy. Fanomanana ny tany Raha efa misy rakotra vonona dia tsy mila fanomanana manokana intsony. Amin’ny taona voalohany no tsy maintsy mikapa sy miasa raha mafy ny tany, na mandoro. Famafazana Atao amin’ny orana voalohany (manodidina ny 15 novambra ka hatramin’ny faran’ny desambra) ny famafazana. Miaraka atao ny fambolena ny katsaka sy ny legiominezy sasany (lojy, moramasaka, dolika, konoke ho an’ny faritra atsimo). Ny mokonà kosa dia tsy maintsy 3-4 herinandro (fiavàna voalohany) ao aorian’ny fambolena katsaka vao volena izy. Azo atao laharana tokana na laharana roa ny fomba fambolena. Fomba fambolena laharan-tokana Voa 3 isan-davaka no volena. • Katsaka : atao anaty lavaka kely manana halaliny 2 na 3 sm ny masomboly miisa 2. Mielanelana 50 sm ny lavaka roa amin’ny laharana iray. Mielanelana 100 sm (1 metatra) kosa ny laharana roa. iray. Voa 3 isan-davaka no volena. • Legiominezy : atao anaty lavaka kely ny masomboly ka 2 voa isan-davaka ho an’ny lojy, moramasaka, dolika ary 4 voa na 5 voa isan-davaka ho an’ny tsiasisa. Atao toratady eo anelanelan’ny laharan’ny katsaka anakiroa ny fambolena azy ka mielanelana 30 sm ny lavaka roa isan-daharana. La biomasse est ainsi reprise en SCV sur résidus. Puis, le système Maïs et légumineuse est succédé par le Stylosanthes pour l’année suivante. La couverture ainsi obtenue des résidus de la culture (exemple : Maïs et Stylosanthes) de l’année précédente empêche les mauvaises herbes de pousser et permet de maintenir le sol humide en cas de sécheresse. L’association Maïs et Légumineuse permet la production de deux cultures sur la même parcelle la même année sans affecter le rendement du Maïs. 33 34 Fomba fambolena laharan-droa Fikarakarana Voa 3 isan-davaka no volena. • Katsaka : Laharan-droa mielanelana 50 sm no indray miaraka ka manao diam-panorona ny fipetraky ireo lavaka. Mielanelana 150 sm avy ao anatiny kosa ny laharan-droa roa. Atao isan-davaka ny fambolena ka 50 sm ny elanelan’ny lavaka roa amin’ny laharana iray. Voa 3 isan-davaka no volena. • Legiominezy : Atao laharan-telo eo anelanelan’ny katsaka laharan-droa roa. Miala 40 sm amin’ny andaniny roa avy amin’ny katsaka ireo laharana roa mifanila amin’ny katsaka. Mielanelana 30 sm ny elanelan’ireo legiominezy laharan-telo miaraka. Ny tsara dia atao mifanosona toa diam-panorona ny fipetrak’ireo lavaka. Voa 2 isan-davaka ho an’ny dolika sy ny niébé, voa 4 na 5 isan-davaka kosa ho an’ny tsiasisa. Ny fanalana ireo ahi-dratsy amin’ny alàlan’ny tànana dia tena ilaina ary ampy raha betsaka ny rakotra (5-10andro/ ha no iasana) • Fiavàna voalohany : roa na telo herinandro aorian’ny famafazana • Fiavàna faharoa : manomboka amin’ny volana faharoa. Fanampiana zezika Zezika organika Tsara raha asiana zezika organika (taim-biby na kaomposta) 30 sarety isaky ny hekitara ny tany anaovana katsaka sy legiominezy. Mbola sarotra ny mahita an’ireo any anaty ala ka dia ny fanaovana kaomposita no ezahana. Zezika simika NPK Ilaina ihany koa ny manisy ody biby (amin’ny alàlan’ny ravinkazo na simika) indrindra alohan’ny fotoam-pamohazana. Fiotazana Alaina isaky ny babony ny katsaka : alaina mbola maitso raha avy hatrany dia hohanina, avela ho maina raha amidy na ampirimina. Ny tahony dia tsy tapahana tanteraka fa mbola handadian’ny legiominezy ary mbola atao rakotra. Ny legiominezy dia hotazana rehefa maina. Ny moramasaka dia afaka tapahina ary velezina noho izy madinika ka sarotra hotazana isaky ny pepa. • Moramasaka mena : 130 andro • Voanemba : 100 hatramin’ny 120 andro • Tsiasisa : 130 andro • Konoke : 180 andro • Mokona : mainty (tsy fihinana) : 240 andro. Amin’ny famafazana : Iray kapsily isan-davaka (200 hatramin’ny 300 kg/ha) Fikarakarana : In-droa no asiana zezika kely atsasaky ny kapsily isan-davaka ny katsaka (100 kg/ha). 35 Manamboatra lavaka roa mifanakaiky manana halalina 20 sm hatramin’ny 30 sm eo ho eo, sakany 150 sm (1,5 m) ary halavany 300 sm (3 m) isanisany avy. 36 Préparation des fosses pour produire du compost. Fisy teknika 4 : Ny fanamboarana kômpôsta Azo avy amin’ny inona ny kômpôsta ? Ny kômpôsta dia zezika azo avy amin’ny fahapotehan’ireo akoran-java-manan’aina velona na maty (zava-maniry, biby) nohon’ny asan’ny hamandoana sy ny hafanana. Misy bibikely tsy hita maso mandray anjara amin’ izany fahapotehana izany. Azo ampiasaina ho akora anaovana zezika kômpôsta izay rehetra akora mety lo toy ny akoranjava-maniry velona na efa maty (ravinkazo, taho, mololo, bozaka…), ny taim-biby na zezi-pahitra. Inona ireo tombotsoa azo avy amin’ny fanamboarana kômpôsta ? • Mahazo zezika ahafahana manatsara ny tsiron’ny tany amin’ny fomba biolojika, • Mihena ny vola lany amin’ny fividianana zezika, • Mihena ny fotoana lany, • Mahazo vokatra tena voa-janahary na natoraly. Ahoana ny fanamboarana kômpôsta ? • Manamboatra lavaka roa mifanakaiky manana halalina 20 sm hatramin’ny 30 sm eo ho eo, sakany 150 sm (1,5 m) ary halavany 300 sm (3 m) isanisany avy, • Asiana tanimena 3 sm eo ny fanambanin’ireo lavaka ireo, • Kapakapaina ary arotsaka ao anaty lavaka voalohany ireo akoran-java-maniry, maitso sy mafimafy kanefa mora lo. Afangaro tsara izany ary atao manana hatevina 20-30 sm. Io no sosona voalohany, • Tondrahana amin’ny rano 1 siny (atao izay hahamando azy fa tsy atao be loatra ny rano fa izay no manafaingana ny fahapotehan’ny akora), • Tovanana zezi-pahitra sy lavenona manana hatevenana 5-10 sm eo ambonin’ny sosona voalohany. Azo atao koa ny manampy vovok’akora hafa toy ny vovo-taolana, dolomia, …. Saromana tany manana hatevina 3 sm eo izany. Io no sosona faharoa, • Averimberina io fifandimbiasan’ny sosona akoran-java-maniry sy akora avy amin’ny biby io hatramin’ny haavo 1,5 metatra. Elanelanina sosona tany manana hatevina 2 hatramin’ny 3 sm hatrany ny sosona roa mifandimby, Le compostage Le compostage est la technique de production d’engrais biologiques à base de matières organiques. L’opération consiste à dégrader des matières organiques (sous-produits de la biomasse, déchets organiques d’origine biologique...) notamment végétales en présence de l’oxygène de l’air. Le produit du compostage s’appelle compost. Il est suffisamment riche en composés humiques. Il faut noter qu’à long terme, les modestes apports de compost ne suffisent pas à remplacer les nutriments exportés par les cultures. Il faut apporter de petites quantités d’engrais azotés et phosphatés. 37 Asiana sosona akoran-java-maniry sy zezi-pahitra ary tany mifandimby mandra-pahazoana haavo 1,50 m. Tondrahana ho mando. Afangaro ary afindra lavaka mba hifangaro tsara. 38 Technique de compostage: Entasser en alternance des résidus de végétaux, de fumier et de cendres jusqu’à la hauteur de 1 à 1,5 m de hauteur. Intercaler chaque couche d’une couche de sol de 2 à 3 cm. Retourner et mélanger. Laisser décomposer sous l’action de l’humidité et de l’air. • Saromana mololo na bozaka io anton-tanjezika io mba hitazomana ny hamandoana, • Avela hiotrika, • Mba hisorohana ny hafanana be loatra ao anaty antontan-jezika dia tsara raha asiana volobe mitsatoka eo afovoany hanatsarana ny fivezivezen’ny rivotra, • Avadibadika ny antontan-jezika mba hidiran’ny rivotra sy hifangaroan’ny akora. Indray mandeha isankerinandro no anaovana izany. Amin’ny fotoana maina dia tondrahana matetika ary afangaro aorian’ny fanondrahana, • Avadika ary afindra ho ao amin’ny lavaka faharoa ny fangaro 15 andro aty aoriana. Averina ao amin’ny lavaka faharoa izany afaka 15 andro manaraka indray. Averimberina in-3 izany fivadibadihana lavaka izany, • Tondrahana ho mando ny antontanjezika isaky ny manafangaro eo an-toerana na mamadika amin’ny lavaka hafa. Masaka ny zezika rehefa tsy misy hafanana be intsony avy ao anatiny, • Tehirizina eo amin’ny toerana maloka sy maina ny kômpôsta vita. Ahoana ny fampiasana kômpôsta ? Azo ampiasaina miaraka amin’ny zezi-pahitra ny kômpôsta. Ampiasaina mialohan’ny hamafazana ny kômpôsta satria miadana ny fivoahan’ny akora mahavelona ilain’ny voly avy aminy. Eo amin’ny lavaka na ny fototry ny voly no ametrahana azy. Iray tànana isaky ny fototra dia ampy. Azo aparitaka ambonin’ny tany ho volena ihany koa ny kômpôsta kanefa tokony ho arovana amin’ny tanamasoandro izany. Raha hamboly hazo, ampifangaroina amin’ny kômpôsta ny tany avy nesorina tao anaty lavaka. Ny fangaro azo avy eo no hamenoana ny lavaka ametrahana ny zana-kazo. Azo ampiasaina ny zezika kômpôsta rehefa afaka 2 volana ka hita fa potipotika tsara ireo akora nanamboarana azy. 39 40 Fisy teknika 5 : Ny ala vadim-boly Fijery fototra Ny ala vadim-boly dia teknika fampiarahana ny hazoala amin’ny hazo fihinam-boa sy ny voly tsotra eo amin’ny tanim-boly iray. Ny ala vadim-boly dia manatsara ny firafitry ny nofon-tany sy ny famokarana. Mampitsahatra ny fahasimban’ny tany izy noho ireo toe-tany kely sy rako-belona miforona manodidina ny toeram-pambolena misy azy. Mihatsara araka izany ny fiasan’ireo bibikely mahasoa ny tany. Manatsara ny fanjariantsakafon’ny olona ary koa ny biby ny ala vadim-boly miampy ny voly mahazatra. Mitondra loharanom-bola fanampiny koa izy noho izany. Ho an’ny faritr’i Didy, ny hazo fihinam-boa dia volena eny amin’ny faritra ambanin’ny tehezan-tany. Fomba fiasa Fisafidianana ny karazan-kazo Ireto avy ny hazo fihinam-boa amporisihina : • Ny soanambo : fanampin-tsakafo ho an’ny olona, • Ny kafe : fisotro na amidy, • Ny voasary isan-karazany : azo amidy mba hanatsarana ny vola miditra. L’agroforesterie L’agroforesterie désigne les techniques d’utilisation du sol par la combinaison des cultures agricoles avec des arbres fruitiers et ou arbres utiles. Les systèmes agroforestiers peuvent améliorer la productivité des terres, stopper et inverser la dégradation des terres grâce à leur capacité à fournir un microclimat favorable et une couverture permanente, à améliorer la teneur en carbone organique et la structure du sol, à accroitre l’infiltration et à améliorer la fertilité et l’activité biologique des sols (FAO, 2011). Pour le cas de la zone forestière de Didy, il est préférable que le verger soit installé sur les bas de pente, à côté des villages. Les systèmes agroforestiers ont un grand potentiel de diversification des ressources alimentaires et des sources de revenus. 41 Fomba fambolena hazo fihinam-boa eny amin’ny tehezan-tany. 42 Technique de plantation d’arbres fruitiers sur des sols en pente. Fomba fambolena hazo fihinam-boa amin’ny tehezan-tany • Fifidianana ny tanimboly : Atao eny ambany indrindra amin’ny tehezan-tany ambanin’ny trano fonenana, • Atao ny lavaka ambolen-kazo : 60 sm x 60 sm x 60 sm ; mielanelana 1,5 m hatramin’ny 3m ny lavaka roa, • Asiana sosona fitsihan’ny rano manana hatevina 6 sm hatramin’ny 10 sm eo amin’ny fanambanin’ny lavaka : vatokely sy vato lehibebe, • Rarahana tany mifangaro zezika (kômpôsta, zezipahitra, …) eo ambony sosona fitsihan’ny rano ao anaty lavaka. Asiana bonga manana hahavo 2 sm miala amin’ny tany zany mba tsy hiandronan’ny rano. Apetraka ihany koa ny hazo hanohanana ny zana-kazo, • Volena eo afovoan’ny vavalavaka ny zana-kazo. • Totofana ny lavaka ary hitsahina hifatratra izany. Marihina fa tsy azo atao ny mampiditra karazan-kazo mety hifaninana amin’ny ala arovana toy ny kininina, afa-tsy ny hazo fihinam-boa ihany. Rehefa inona no mamboly hazo fihinam-boa ? Ny tsaratsara kokoa dia atao any am-piandohan’ny firotsahan’ny orana (oktobra na novambra). Tsy tokony hihoatra ny volana febroary izany. 43 Modely fanajariana ny fambolena miorina eny amin’ny tehezan-kavoana. 44 Modèle d’aménagement d’une toposéquence. Fisy teknika 6 : Fanajariana ny tanety Toy ity tabilao ity ny mandrafitra ny tanety mba ahazoana vokatra tsara sy ho fiarovana ny tontolo iainana, miainga avy any ambony mankany ambany. Laharana 10) FIZARANA VOTOATINY 1) - Ala velona natao tsy ho trandraha afa-tsy amin’ny famokarana hazo fampiasa andavan’andro. Natao hiaro ny nofon-tany ihany koa 2) Fefy velona Ala vadim-boly - 3) Stylosanthes - Manome zava-maitso ho an’ny biby fiompy - Manome rakotra ho an’ny fambolena - Miaro ny ala velona amin’ny afo 4) Fefy vetiver - Ny vetiver dia karazana bozaka hainga-paniry - Volena amin’ny sisin’ny tanim-boly ka isaky ny tsipi-mirahaabo mba hiaro ny tany amin’ny fikahoan’ny riaka. - Atao laharan-droa mifanosona na manao diam-panorona. Mielanelana 20-30 sm isaky ny fototra izany amin’ny laharana iray - Mielanelana 20 sm ihany koa ny laharana roa indray miaraka 5) Vary an-tanety - Atao manaraka ny teknika nohatsaraina : ambony rakotra, mivady amin’ny karazam-boly hafa, … - Mitsivalana amin’ny fijidin’ny tehezan-kavoana hatrany ny filaharan’ny voly mba hiarovana amin’ny fikahoan’ny riaka ny nofon-tany - Azo avy amin’ny zava-maniry legiominezy (krotalaria, tefrozia, …) Manome zava-maitso ho an’ny biby fiompy. Manome akora anaovana komposta sy anatsarana ny zezika Miaro ny tany tsy ho kahon’ny riaka Manome kitay Miaro ny ala velona amin’ny afo Azo avy amin’ny zava-maniry legiominezy (krotalaria, tefrozia, …) Manome zava-maitso ho an’ny biby fiompy Manome akora anaovana komposta sy anatsarana ny zezika Miaro ny tany tsy ho kahon’ny riaka Manome kitay Miaro ny ala velona amin’ny afo 6) Fefy velona 7) Fonenana sy toeram-piompiana - Toerana onenana sy iompiana ireo biby fiompy - Alavidavitra manodidina eo izany ny toerana fanamboarana zezika - Azo asiana tanim-boly ho an’ny mangahazo 8) Fambolena nohatsaraina samihafa - Tsaramaso sy katsaka, … - Tsara raha asiana Arachis mba hahamaitso mandavan-taona ny toerana 9) Tanim-boankazo Tanim-bary - Toeram-pambolena hazo fihinam-boa : kafe, voasary, … - Tsara ihany koa raha ambolena Arachis mba hivady amin’ny hazo sy hanome maitso mandavan-taona ny toerana - Lemaka ambolem-bary mila rano. Ampiharana ny voly vary maro anaka Presque les toposéquences en forêts de Didy sont des tanety en pente. Il est toujours risqué de les toucher (cultiver ou mettre des infrastructures). Mais pour survivre, les paysans forestiers doivent les valoriser. En théorie, la pente maximum exploitable est de 8%. Pour le cas des reliefs à pente forte, des mesures antiérosives doivent être prises. Sur ce, il faut cultiver des plantes par 20 m à 30 m, suivant le courbe de niveau. Les plantes qui sont très utilisées comme bande antiérosive sont : le vétiver, le Brachiaria, l’ananas, les sisals (qui pourront servir aussi comme des haies vives). Les haies vives (arbres, arbustives en général de la famille des légumineuses) installées si possible en courbe de niveau sur les versants pour limiter l’érosion ou sur les bords et/ ou à l’intérieur des champs. Ces haies permettent de: •améliorer les sols (fauche de la haie et épandage des branches ou feuilles sur les parcelles), •améliorer l’alimentation animale tout en limitant les problèmes de divagations, •matérialiser et sécuriser la propriété foncière. 45 Boky loharanon-kevitra - GSDM. 2013. Manuel pratique du Semis direct sur Couverture Végétale permanente (SCV), Application à Madagascar. 716 p. - AVSF. 2009. Guide synthétique d’agronomie et d’agro-écologie dans le contexte de la rive-ouest du lac Alaotra. - TERRAFRICA/FAO. 2011. La pratique de la gestion durable des terres. Directives et bonnes pratiques pour l’Afrique subsaharienne. Site web 46 http://gsdm-mg.org http://www.fao.org/docrep/005/x3996f/x3996f0v.htm http://en.wikipedia.org/wiki/Agriculture_in_Madagascar http://agroecologie.cirad.fr/dossiers/les_challenges_de_l_agroecologie COGESFOR Dans le cadre du projet COGESFOR (2009-2013), financé par le Fonds Français pour l’Environnement Mondial (FFEM), le CIRAD a développé un ensemble d’interventions qui vont dans le sens de la conservation des écosystèmes forestiers malgaches par la valorisation raisonnée des ressources naturelles renouvelables dont le bois d’œuvre et les huiles essentielles. Ces actions s’accompagnent d’actions d’accompagnement transversales à même de favoriser leur réussite. Ainsi en est-il de la Sécurisation du foncier forestier, du Suivi des impacts des transferts de gestion et des Itinéraires techniques alternatifs aux tavy. In fine, il s’agit de mettre en place les conditions de la conservation de la forêt d’Ambohilero partie intégrante de la Nouvelle Aire Protégée Ankeniheny Zahamena dans la commune rurale de Didy, district d’Ambatondrazaka, région Alaotra Mangoro. Concernant les tavy, activité majeure des populations forestières de la côte Est, l’enjeu était d’aller au-delà des mesures coercitives ou de communication sans effets pour apporter, par l’amélioration de ces pratiques agricoles de défrichements par brulis, une réelle évolution de ces pratiques par la limitation des déplacements de ces paysans. L’objectif était de parvenir, par l’augmentation des rendements à l’unité de surface, de favoriser la sédentarisation de ces paysans et diminuer la déforestation. Au cours des trois années de mise en œuvre de la composante « ITA Tavy », de 2010 à 2013, les actions engagées avec 24 paysans pilotes ont apportés des résultats significatifs. Le rendement agricole moyen a quasiment doublé et il a été démontré, par la pratique, que l’objectif de fixer les paysans sur quelques parcelles agricoles était réaliste. Cette brochure permettra aux lecteurs de se faire une idée de l’approche développée par COGESFOR alors que beaucoup de questions se posent quant à la limitation de la déforestation. Une large diffusion de ces techniques ITA est possible. L’accompagnement de l’action à travers la mise en place du mécanisme de Paiements des Services Environnementaux alternatifs au Tavy (PSE Tavy) a également été testé et donne, dans la perspective du REDD+, des solutions pour réduire la déforestation du massif forestier d’Ambohilero, futur Réserve des Ressources naturelles dans le cadre du Système d’Aires Protégées de Madagasikara (SAPM). chef de projet Montagne Pierre (COGESFOR / CIRAD, Didy) Auteurs Razafiaritiana Andriamahavonjy ([email protected], 034 09 518 46) Ramanantoanina Rivo ([email protected], 033 02 110 20) Dessins Randriamanantsoa Rodolphe Philippe (Roddy) PAO Ramiaramanantsoa Stève ([email protected], 032 04 111 61) Cellule Centrale de Coordination du Projet Tél. 033 62 562 83 - 034 06 53 983 - E-mail : [email protected] Web : www.cogesformada.org CIRAD Tél. 032 07 16 960 - E-mail : [email protected] © COGESFOR – Juin 2014