toriteny-fpma-melun

publicité
ARY NY TENY DIA TONGA NOFO KA NONINA TAMINTSIKA ( Jao 1 :14a)
Ny “Teny” na ny “Logos” (hoy ny grika) dia tonga fombam-piteny filozofika tamin’ny Grika sy teo amin’ny
Jiosy ho enti-milaza ny hery sy fahendrena ambony, na koa Ilay Andriamanitra laharana faharoa, nolazaina
ho lehiben’ny anjely. Tao amin’ny Sektan’I Eseniana dia nomeny anarana samihafa izy io, toy ny hoe
Fahazavana, Rain’ny fahamarinana, sns…Ampiasain’I Jaona hilazana an’I Jesoa kosa izy eto, izay asehony fa
tena Andriamanitra fa tsy ambany noho Izy, ary izany indrindra no asehon’ny and.1 eto amin’ny
Filazantsara: “Tamin’ny voalohany ny Teny (Jesosy)…”
Tian’I Jaona aseho amin’ny mpamaky ny Filazantsarany ny maha-olona an’i Jesoa Kristy, indrindra amin’ny
fametrahana hoe iza Jesosy (Andriamanitra tonga nofo) sy ny zavatra ataony. Ny tanjona tokan’I Jaona dia
ny hitarika ny olona hanaiky amin’ny finoana ny asam-pamonjen’I Jesosy. Rehefa azo tsara io tanjona io,
dia amin’izay vao ho azontsika tsara hoe nahoana Jaona no nampiseho an’I Jesosy ho ny “Teny” araka ny
Jao 1:1. Raha nanomboka ny Filazantsarany tamin’ity fehezanteny ity: “ Tamin’ny voalohany ny Teny, ary
ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra”, dia nampiasain’I Jaona ny teny efa
mahazatra ireo mpamaky azy dia ny jiosy sy ny jentilisa. Amin’io andininy io mantsy, ny teny grika nadika
hoe “Teny” dia “Logos”, teny iraisana amin’ny filozofia grika sy ny fisainana jiosy tamin’ny
fotoanan’androny. Ohatra, tao amin’ny Testamenta Taloha, ny “Tenin’” Andriamanitra, mandrakariva dia
nomena novaina ho olona (la parole de Dieu est souvent personnifié) mba ho tonga fitaovana ampiasaina
amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra ( Sal 33:6, 107:20; 119:89; 147:15-18). Izany no antony
nampidirana an’I Jesosy ho toy “ny Teny” nikendrena ireo mpamaky Jiosy, satria Jaona dia te-hitarika azy
ireo ho any amin’ny Testamenta Taloha izay ny “Logos” na ny “Teny” dia mifandray amin’ny fanaovana ho
olona (personification) ny fanambaràn’Andriamanitra. Amin’ny filozofia grika, ny teny hoe “logos” dia
nampiasaina mba hilazana ny fomba izay nampiasain’Andriamanitra mba hamoronana zavatra hita maso
sy azo tsapain-tànana ary hifandraisana aminy. Amin’ny fjerin’ny tontolo grika, ny teny hoe “logos” dia
noraisina ho toy ny tetezana eo anelanelan’Andriamanitra ambony sy izao rehetra izao hita maso sy azo
tsapain-tànana. Noho izany, ho an’ny mpamaky grika, ny fampiasana ny teny hoe “Logos” na Teny, dia
miteraka hevitra fototra ho ilay mpanelanelana amin’Andriamanitra sy izao tontolo izao.
Noho izany, raha nampiditra an’I Jesosy ho Logos na “ny Teny” I Jaona dia niainga tamin’ny teny sy fihevitra
fantatry ny Jiosy sy ny Grika tsara, ary nampiasainy io teny io, ho toy ny teboka fiaingana mba hanondroana
an’I Jesoa Kristy ho tsy mpanelanelana fototra fotsiny araka ny fahatsapan’ny grika azy, fa amin’ny maha
olona manokana Azy, sady Andriamanitra feno sy olombelona feno. Fanampin’izany, Jesosy dia tsy
fanaovana ho olona (personification) fotsiny ny fanambaran’Andriamanitra araka ny fihevitry ny Jiosy, fa
Izy mihitsy no fanambarana tonga lafatra izay tonga nofo avy amin’Andriamanitra. Amin’ny alalàn’ny teny
hoe “logos” na “Teny” arak any Jao 1:1, hamafisin’I Jaona sy ampihariny ny hevitra mahazatra ny mpihaino
azy ary ampiasainy mba hampidirany ny mpamaky ny filazantsarany ao amin’ny tena “logos”nà
Andriamanitraao amin’I Jesoa Kristy, Ilay Teny velon’Andriamanitra, sady Andriamanitra feno no
olombelona feno tonga (tsaroana androany) mba hanambara an’Andriamanitra amin’ny olona ary
hanavotra azy amin’ny fahotany dia izay rehetra mino Azy.
1
Noho izany, “ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika” dia midika fa Ilay hatramin’ny taloha indrindra,
hatrizay hatrizay, izay nanao ny zava-drehetra dia nandray ny fepetra ny zavaboahary. Ilay Mpamorona
izao rehetra izao no tonga nandray fepetran’ny noforonina. Azo lazaina mivantana fa Andriamanitra
amin’ny maha-Mpahary, Andriamanitra teo amin’ny fiandrianany, Andriamanitra tao amin’ny voninahiny,
Andriamanitra tao amin’izay naha-Izy Azy no nanaiky ny hietry, nanaiky ny hidina sy hiforitra tao an-kibon’I
Maria mba ho tonga olombelona ao amin’I Jesoa. Io Jesosy io dia nandray ny fiainan’ny olombelona, ka
nahalala ihany koa ny hanoanana sy ny hetaheta, ny fifaliana sy ny alahelo, ny fahoriana sy ny fajafatesana
toy ny manan’aina rehetra. Izany rehetra izany dia midika fa Andriamanitra no tonga olona tao amin’I Jesoa
Kristy mba ahafahany mamonjy olona tamin’ny fahotany, izay tsy iza fa isika.
Farany, rehefa niteny izy fa ny “Teny dia nonina tamintsika”, dia mampatsiahy antsika izany ny
fiarahan’Andriamanitra tamin’ny Zanak’Isiraely nandritra ny 40 taona tany an’efitra. Niraka tamin’izay ireo
hatrany Andriamanitra na tamin’ny toerana nisy azy na tamin’ny fotoana rehetra. Izay ilay antsoina
“Andriamanitra manerana ny toerana rehetra (Omniprésence de Dieu). Noho izany dia tsy tantara tsotra
tiana haseho izany satria Noely ny andro, fa mbola marina mandrake ankehitriny izany, miaraka amintsika
Jesosy, eto Izy izao, te-honina ao amintsika Izy, te-hiaraka amintsika any izay rehetra tiantsika aleha Izy, tehanana fifandraisana maharitra, na ny marina fifandraisana mandrakizay amintsika Izy, te-hampahery
antsika mandrakariva Izy eo amin’ny “fitsapana” na épreuves mahazo antsika eo amin’ny fiainantsika. Na
oviana na oviana dia tsy handao antsika ao anatin’ny zava-tsarotra mahazo antsika Izy. Noho izany, anio,
amin’izao andro Noely izao, tapa-kevitra ny honina ao amintsika Jesosy ka moa ve vonona isika handray
Azy sy hiara-monina Aminy? Hoy ny teniny: “ Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko Izy, ary ny Raiko
ho tia Azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy” (Jao 14:23).
Aoka ry Havana, tsy ho fotoana mahazatra tsaroana isan-taona fotsiny ity Krismasy ity, fa fotoana kosa
nandraisanao an’I Jesosy te-hiantrano sy hitoetra ao aminao, ary raha miala eto ianao dia manana Jesosy
hiaraka aminao any amin’izay rehetra misy anao.
Toriteny alahady 25 desambra 2016
Pasteur Roger RAFANOMEZANTSOA
2
Et la parole a été faite chair a et elle a habité parmi nous (Jean 1 :14a)
Le mot « Parole » ou « Logos » (selon le Grec) est devenu une expression philosophique chez les Grecs et
les Juifs pour désigner une puissance et une sagesse supérieure, ou aussi un Dieu de second rang, qui était
à la fois chef des anges. Chez la secte Essénienne, on lui a donné des différents noms, comme Lumière,
Père de vérité, etc… Jean a utilisé ici ce mot « Parole » pour désigner Jésus, et il l’a montré que c’est un vrai
Dieu, mais n’est pas inférieur à lui, selon le verset 1 : « Au commencement était la Parole, et la Parole était
avec Dieu, et la Parole était Dieu » (Jésus).
Jean désirait présenter aux lecteurs de son Évangile la personne de Jésus-Christ, établissant ainsi qui est
Jésus (Dieu incarné) et ce qu´il accomplit. Le seul but de Jean était de conduire les gens à accepter l´œuvre
de salut de Jésus avec foi. Lorsqu´on comprend cela, nous sommes mieux placés pour comprendre
pourquoi Jean présente Jésus comme étant ”la Parole” dans Jean 1:1. En commençant son Évangile par
cette phrase, « Au commencement était la Parole, et la Parole était avec Dieu, et la Parole était Dieu »,
Jean introduit avec un terme familier à ses lecteurs juifs et gentils. Dans ce passage, le mot grec traduit par
“parole” est “logos”, mot commun dans la philosophie grecque et la pensée juive de cette époque. Par
exemple, dans l´Ancien Testament la “parole” de Dieu est souvent personnifiée comme étant un
instrument servant à l´exécution de la volonté divine (Psaumes 33:6, 107:20, 119:89, 147:15-18). Voilà
pourquoi, pour les lecteurs juifs, en introduisant Jésus comme la “Parole”, Jean, dans un sens les ramène
vers l´Ancien Testament où le logos ou la “ Parole” de Dieu est associée avec la personnification de la
révélation divine. Dans la philosophie grecque, le terme logos était utilisé pour décrire le moyen que Dieu
employa pour créer les choses matérielles et pour communiquer avec elles. Dans la vision du monde
grecque, le logos était considéré comme un pont entre le Dieu transcendante et l´univers matériel. Donc,
pour les lecteurs grecs l´usage du terme logos aurait certainement suscite l´idée de principe médiateur
entre Dieu et le monde.
Alors, essentiellement Jean en introduisant Jésus comme logos se base sur un mot et un concept bien
connu des juifs et des grecs et il s´en sert comme point de départ pour présenter Jésus-Christ non
seulement comme simple principe médiateur comme le percevaient les grecs, mais en tant qu´ être
personnel, pleinement divin et cependant pleinement humain. En plus, Jésus n´était pas simplement une
personnification de la révélation divine comme le pensaient les juifs, mais il était en fait la révélation
parfaite incarnée de Dieu lui-même. Par ce terme, logos ou “Parole” dans Jean 1:1, Jean amplifie et
applique un concept familier à son public et l´utilise pour introduire ses lecteurs au véritable logos de Dieu
en Jésus-Christ, la Parole Vivante de Dieu, pleinement Dieu et cependant pleinement homme venu pour
révéler Dieu à l´homme et racheter de leur péché tous ceux qui croient en lui.
Alors, « la parole a été faite chair, et elle a habité parmi nous » veut dire que Celui qui est de toute éternité
et qui a fait toutes choses a pris la condition d’une création. On peut directement dire que Dieu en tant
créateur, Dieu dans son trône, Dieu dans sa gloire, Dieu dans son identité voulait être s’abaisser, voulait
être descendre et s’accroupir dans le sein de Marie pour devenir un être humain en Jésus. Ce Jésus qui
prend la vie humaine connait aussi la faim et la soif, la joie et la tristesse, la souffrance et la mort comme
3
tous les êtres humains. Tout cela signifie que Dieu est devenu homme en Jésus-Christ afin qu’il puisse
sauver l’homme de son péché qui n’est autre que nous !
Enfin, lorsqu’il est dit que « la Parole a habité parmi nous », cela nous rappelle la présence de Dieu parmi
les enfants d’Israël pendant 40 ans dans le désert. Dieu était toujours avec eux quelques soient les lieux et
le temps. C’est ce qu’on appelle « Omniprésence de Dieu ». Alors, ce n’est pas simplement une histoire à
révéler parce que on est Noel, mais cela reste vrai jusqu’à maintenant, Jésus est parmi nous, il est ici
maintenant, il veut demeurer en nous, il veut nous accompagner là où nous voulons, il veut une relation
durable ou plus exactement éternelle avec nous, il veut nous encourager toujours dans les épreuves que
nous rencontrons dans notre vie. Jamais, il ne nous abandonne dans nos difficultés. Alors, aujourd’hui, en
ce jour de Noel, Jésus est décidé de demeurer en nous mais est-ce que nous sommes prêts à cohabiter
avec Lui, est-ce que nous sommes prêts à l’accueillir dans nos cœurs ? Il nous dit : « Si quelqu’un, il
gardera ma parole, et mon père l’aimera ; nous viendrons à lui, et nous ferons notre demeure chez lui » (Jn
14 :23).
Ne laissons pas chers amis ce Noel, comme un événement habituel, une routine qu’on se souvient tous les
ans, mais prenons le comme une opportunité pour recevoir Jésus qui veut demeurer en nous, et lorsque
nous quittons cet Eglise, souvenons-nous que nous avons en nous Jésus, et qu’Il nous accompagne quel
que soit où nous irons. !
Prédication dimanche 25 décembre 2016
Pasteur Roger RAFANOMEZANTSOA
4
Téléchargement