Mba ahatrarantsika ny tanjona, izay hamahana olana @ cinematique, dia tsara raha manaraka fomba fiasa
mazava isika.
Tsiahivintsika aloha ny famaritana na ny definition ny atao hoe cinematique
La cinématique étudie le mouvement sans tenir compte des causes qui les produisent.
Izany hoe Mandritra ny étude cinématique du mouvement, dia tsy asiana resaka mihitsy ny antony niteraka ilay
mouvement na ilay fihetsehana.
Ny antony mampisy ireny mouvement ireny moa dia tsy inona fa ny force, izay any amin’ny Dynamique isika
no mandalina momba ny force fa tsy aty amin’ny Cinématique.
Inona avy ary izany ireo dingana tsy maintsy arahina raha hanao étude cinématique du mouvement d’un point
anankiray.
Pour étudier le mouvement d’un point, nous suivrons les étapes suivantes.
1-Schématiser la situation : figure simple ;
Izany hoe raha misy lazaadina iray momba ny Cinematique dia tsy maintsy hatao antsary tsotra sady mazava
izay voalazan’ny lazaadina. figure simple et claire
2-Préciser le système : le mobile à étudier
Iza na inona marina ilay système hanaovana étude.
Ohatra : Misy Camion semi-remorque iray izay en mouvement, Raha atao ny etude du mouvement dia mila
faritana mazava tsara aloha ny système izay hanaovana ny étude. Mety ho ilay lohan’ilay izay mitarika no
raisina ho système; mety ho ilay remorque izay tarihina no raisina ho système; na mety ho izy iray manontolo
mihintsy no raisina ho système. Marihina fa tsy mitovy avokoa ny étude izay hatao amin’ireo système voalaza
teo ireo.