HAFATRY NY MINISITRY NY FANABEAZANA
FAMPIANARANA TEKNIKA SY ARAK’ASA
Miarahaba antsika mpanabe,
Zavatra manan-danja loatra eo amin’ny firenena ny fanabeazana ary
anisan’ny fitaovana tsy azo idovirana mampita izany ny fandaharam-pianarana.
Eo anatrehan’ireo fivoarana iainan’ny mpianatra amin’izao fotoana izao anefa,
dia tsapa fa misy ireo fanatsaràna izay tsy maintsy ary tokony hatao mba
hampifandraika ny fandaharam-pianarana amin’izany. Izany indrindra no
nahatonga ny Ministera hiroso amin’ny fanavaozana amin’ny alalan’ny Teti-
pivoaran’ny fanabeazana na ny “Plan Sectoriel de l’Education”. Maro ireo
dingana tsy maintsy nolalovana vao tonga amin’izao antanan-tohatra izao isika.
Tsy vitsy ihany koa ireo olana tsy maintsy nosedraina, kanefa niatrika hatrany
isika ary inoako fa mbola vonona hanohy sy hanatanteraka ny asantika amim-
pitiavana.
Tontosa àry ankehitriny ny famolavolàna ny fandaharam-pianarana ho an’
ny kilasy fahafolo (T10) rehefa avy nandalo andrana nandritra ny taom-
pianarana iray manontolo. Ireo hevi-dehibe tena ilain’ny mpianatra indrindra no
avoitra ato anatin’ity fandaharam-pianarana ity mba hahazoan’izy ireo ny
fahalalana ilainy izay tsy mijanona ao an-dakilasy fotsiny ihany fa ahafahany
miaina sy miatrika ny fiainana andavanandrony mihintsy. Izany no natao dia
mba ny hanatrarantsika ny fanabeazana ho amin’ny fampandrosoana lovain-jafy
izay imasoantsika fatratra amin’izao vaninandro izao.
Nisy ny fanamaivanana ny ora fampitàna ny fampianarana mba
hanomezan-danja ny asa fikarohana ho an’ny mpianatra satria mora kokoa ho
azy ny mahazo ny fampianarana raha miainga avy aminy izany. Ny anjara
andraikitry ny mpanabe amin’izany dia ny manampy azy ireo amin’ny
fanatanterahana ny asa sy mameno ary mandravona izay valin’ny fikarohana
ataon’izy ireo ho lesona hampitaina ao an-dakilasy ho an’ny rehetra.
Misy ihany koa ny loharano fanovozan-kevitra ho an’ny mpanabe mba
hanampiana azy amin’ny fanomanan-desona. Natao ny famolavolàna io tahirin-
kevitra io mba ho an’ireo namantsika izay any amin’ny toerana lavitra sy tsy
mba manana na dia boky aza hampitàny ny fampianarana.
Dia mirary soa antsika mpanabe amin’ny fanatanterahana ny adidy masina sy
mankadiry izay iantsorohantsika amin’ny fanabeazana ireo taranaka Malagasy
ireo. Ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena
Fampianarana Teknika sy arak’Asa.
VOLAHAINGO Marie Thérèse