P. Jean Pascal ANDRIANTSOAVINA
4
Benoit 16 ao amin’ny “Le sel de la terre” dia ny fijerin’ny manodidina, koa
rehefa tsy misy mahita dia afaka manao izay tiana (Rajao: ataovy amin’ilay tsy
hitan’ny olona; itako io fa ianao no tsy hitako [police/sens unique]).
Mahakasika izay dia hoy ny Bokin’ny Sir 23, 19 “Ny mason’ny olombelona no
atahorany; tsy fantany fa ny mason’ny Tompo mamirapiratra in-arivo hoatry
ny masoandro ka voajeriny avokoa ny toetran’ny olombelona ary tazany
hatrany amin’ny toerana faran’izay miafina.”. Andriamanitra no Hendry
voalohany (Jr 10, 12 ; Ps 104, 24 ; Pr 3, 19), ary Izy no manome fahendrena ny
olona (Ex 28, 3) koa tokony angatahina ny fahendrena (cf. Fah 9).
- Fahaizana : mûsär amin’ny teny hebrio. Misy heviny roa io teny :
ny heviny voalohany dia hoe manasazy na manitsy (fomba fanabeazana fahiny
izany. manasazy cf. Pr 13, 24 ; 22,15 ; 23, 13. manitsy na mananatra, Pr
3,11 ; 5,12 ; 6, 23). Ny fanitsiana sy ny fananarana na koa ny fanasaziana dia
zavatra ataon’ny lehibe amin’ny olom-peheziny, ny raimandreny amin’ny
zanany, ny mpampiantra amin’ny mpianatra koa raha io no mifototra dia
mifototra ny tany). Zava-mahamenatra raha ny zanaka indray no lasa
mananatra ny raimandreny na ny mpianatra no mananatra ny mpampianatra.
ny heviny faha-roa dia hoe mampianatra sy manabe ' (cf. Pr 4, 1.13 ; 8,10)
ary koa manoro Pr 1, 8 noho izany dia ny hoe fanabeazana no heviny.
Noho izany ny fanabeazana dia tsy mahasahana ny fahaizana sy fahalalana fotsiny
ihany. Zavatra tena tsy azo atao ambanin-javatra ireo saingy tsy azo atao ankilabao ihany
koa ny mahakasika ny fitondran-tena sy ny fiainam-pinoana. Ny famaizana sy ny
fanitsiana ireo izay tsy mandeha araka ny tokony ho izy no atoron’ny Soratra Masina. Ary
ny fanoroana azy ireo ny tokony ho ataony. Izay no fanabeazana. Izany no amafisin’ilay
psychologue Pierre DACO hoe “ny fanabeazana dia tsy fampitana fahalalana fotsiny fa
fampitana fomba fiaina sy fomba fisaina ihany koa”. Mahasahana ny fandrafetana ny
maha-olona manontolo izy ka ahafahan’ny tsirairay mivoatra amin’ny lafim-piainana
rehetra. Izany no mahatonga antsika hilaza fa fototry ny fivoaram-pianana ny
famabeazana. Izy no mahatonga ny olona hanana fahaiza-manao hiatrehiny ny
fivelomany, izy no mamolavola ny saina hiatrika ny fiainana, mbola izy ihany koa no
ahaizana mitsinjo ny vatana ho mendrika ny maha-olona. Ary hitantsika teo fa ny olon-
kendry izany dia izay olona mivelatra sy mivoatra amin’ny lafiny maha-olona manontolo
izany hoe mivoatra amin’ny lafim-piainana rehetra.
Raha ireo rehetra ireo no jerena dia misy môdely lazain’ny Soratra Masina ny amin’izany.
2. Salômona, môdely amin’ny fivoarampiainana
Tsy voafaritry ny fanànana fotsiny ny olona mivoatra. Misy ireo tena manana saingy tsy
mahay mampiasa izany mba haha-mety ny fiainany hifanaraka amin’ny tena maha-olona (oh:
manankarena be manana omby maro sy vary amin’ny sopitra betsaka saingy miara-matory
amin’ny biby fiompiny satria tsy manao trano hitoerana, tsy mampianatra zanaka, zara raha